He azoko! He azoko nomen’ny Tompo mamiko,
akanjo fotsy lava masina,
akanjon-danitra he, he azoko.
Amena, Amena akanjon’ny anjely masina, masina
Amena, Amena ho entiko ao an-danitra.
He azoko! He azoko ny satroboninahitra,
nomeny satroboninahitr’aho, satroboninahitra
volAmenaa, volAmenaa satroboninahitra
fandresena, fandresena.
He azoko! He azoko, azoko ny hira tsara
hiran’ny anjely sy arkanjely
hiran’ireo tafita sy afak’ady,
Amena, Amena hira mifamaly hoe
mifalia, mifalia Amena, Amena
ka hira vaovao no hiraiko.
He azoko! He azoko azoko ilay tanàna,
Jerosalema tanàna masina
ka voaomana hampakarina,
Jerosalema tanàna honenako amin’ny Tompoko
Jerosalema honenako ho mandrakizay.