Toa misy zava-tsarotra
Miseho sy mahakivy ve
Izay mitoetra sy mihatra
Aminao ry velona ê!
Asa angamba fahakiviana
Noho ny adim-piainana
Ka eo ianao mangina
Ory, very saina re !
Raha mbola velona eto an-tany
Ny fiainan- tsarotra eo ihany
Fa raha banjininao ilay Jesoa
Dia ho maivana avokoa
Na fahoriana sesilany
Hainy ho vahana hatrany
Ka Izy dia milaza hoe
Mahereza aza kivy re.
Toa gaga ianao indraindray
Raha manatona ny Ray
Dia tena feno fitsapana
Izay tena sarotra vahana
’Zany no fiainanao
Saika isan’andro lava izao
Tebiteby ho tratra ve
Ilay tanjona iray lehibe.