Misy zava-marobe
Toa mendrika hiderana Anao
Dia zava-tsoa sy lehibe
Fa fitiavana nentinao
Ka midera Anao ’zahay
Faly, ravo ihany koa
Fa tena tianao ry Ray
Ka nomenao zava-tsoa
Midera Anao, midera Anao
Faly ka midera Anao
Misaotra sady mankatelina
Fa tianao ny olombelona
Zava-tsoa sy sarobidy
Dia mendrika hiderana Anao
Fa na ny asa na ny adidy
Dia tena avy aminao.
Tena, saina, fo, fanahy
Dia fanomezan-tsarobidy
Ka mampientana fanahy
Fa fanomezana voafidy.