Haleloia (4x)
Mihirà fihiram-baovao ho an’ i Jehovah.
Ny fiderana Azy eo amin’ny olona masina (D.C.)
Aoka ny Isiraely hifaly amin’ny Mpanao azy
Aoka ho finaritra amin’ny Mpanjakany ny zanak’i Ziona
Aoka hidera ny anarany amin’ny dihy izy
Sy hankalaza Azy amin’ny ampongatapaka sy ny lokanga.