Misaotra Anao ‘zahay ry Ray noho ny fitiavanao
Ny haizin-kitroka nisy ahy indro fa nidiranao
He hazavana lehibe no indro fa naposakao
Ka raovoravo ery ny fo izay midera Anao.
Na dia tsy mendrika ry Ray ireto te hidera Anao
Dia notoloranao anay ny fanavotan-dehibe
Na dia mahantra aza re dia novidin’ny Zanakao
Tamin’ny rany izay madio mba ho isan’ny Anao.
He menatra tokoa ry Ray ny hifanatrika Aminao
Kanefa noho ny Zanakao dia indro fa manatona aho
Manery ahy izany foko resin’ny fitiavanao
‘Lay fo maniry mafy Anao ka indro anjakao.
Refrain:
Inona ary no havaliko Anao
Noho ireo soa efa narotsakao
He hazavana lehibe no indro fa naposakao
Ka ravoravo ery ny fo izay midera Anao.