1.Te ho afaka ota va ianao ?
Misy hery ao amin’ny rà, ao amin’ny rà
Sitrakao va ny ho levonin’ny ota?
Mahagaga ny herin’ny rà.
Refrain:
Misy hery, hery vaovao
Amin’ny Ràn’ny Zanak’ondry
Eny ampy hanadio anao
Dia Ilay Rà sarobidy.
2.Te-handositra amin’ny rehaka?
Misy hery ao amin’ny rà, ao amin’ny rà
O! Avia re fa ho afaka!
Mahagaga ny herin’ny rà.
3.Te ho fotsy ka hanjopiaka va ianao
Misy hery ao amin’ny rà, ao amin’ny rà
Ranovelona hanadio ny otanao
Mahagaga ny herin’ny rà.
4.Maminao va hanompo Ilay Mpanjakanao?
Misy hery ao amin’ny rà, ao amin’ny rà
Hihira fiderana mahafinaritra ianao
Mahagaga ny herin’ny rà.