Fiangonana maminay


Retour

Ry Ray ‘zay nahary ny voary

Isaorana ny anaranao

Fa kanto ary koa lavorary

Ny lova ‘zay natolotrao.

 

Refrain:

Fiangonana tsy hohadinoina

Nahazoana ny soa sy ny tsara

Tadidy sy tsaroana

‘Reo anatra maro nambara

Ka tiako ianao

Ry fiangonana maminay ô!

 

Ry Jesoa Mpanavotra anay ô!

Omeo ny fiadananao

Ho mpino mahay mifandray

No tanjonay hatramin’izao

 

Fanahy ô! Avia mba tsilovy

Tantano ny fiangonanay

Havaozy ary koa mba arovy

Meteza hiasa aminay.

Numéro de page - 35