1.Hanompo Anao aho manomboka anio
Ry Jesoa malalako
Sy hankalaza ny Anaranao
Mandrakizay doria
Ny hetahetako anie ry Jesoa
Dia ny hanompo anao
Manomboka anio sy mandrakizay
Hanompo anao ry Jesoa.
2.Raha sendra variana ny fiainana an-tany aho
Ry Jesoa malalako
Dia tantano ary koa vimbino
Ento hanaraka Anao
Ny faniriako anie ry Jesoa
Dia ny hanompo Anao
Hatreto an-tany ka hatrany an-danitra
Dia ho anao aho ry Jesoa.
3.Maro dia maro ny fakam-panahy
Izay mamely ety
Mila ho solafaka anie izany dia
Raha sendra ka lavitra Anao
Ampaherezo aho ry Tompo malala
Hazoto hanompo Anao
Na mora na sarotra anie izany dia
Tantano aho hanaraka Anao.
Refrain:
Hidera sy hanompo Anao Jesoa aho
Hanandratra ny anaranao mandrakizay doria
Ny hetahetako anie ry Jesoa
Dia ny hanompo Anao
Izay no faniriako
Sy fikasako ry Tompo malalako