Jesoa Tompo ô vonjeo ka tahio
Ny fanahin’ny mpanomponao
Aza avelanao ho very ity ondrinao
Fa mania be siasia
Ventesinay ny hira fiderana Anao
Mba hitari-dalana anay
Derainay ilay Mpanjaka lehibe
Fa mpandresy an’ i Satana.
Kristiana ô ! jereo ny fiangonanao
Fa ianao no heriny
Mahereza re aza kivy
Atolory ny fanahinao.