Mitomoera izao
Ry Fanahy Masina
Diovy ary hazavao ny fonay
Mila fahasoavana
Aoka hitoetra lalandava
Ho doria mandrakizay
Tsy handao tsy ho rava
Ho lovasoa tsy miova
Harena anatinay.
Mitomoera izao
Ry fahasoavana ô!
Raiso ary hatanjaho
Ny sainay ketraky ny aizina
Mba tariho hankato
Ilay sitrapon’ny Ray
Ho aim-panahy hampiova fo
Hanjaka, haharitra
Doria mandrakizay.