Omeo fo mino


Retour

1.Ray ô tariho

Sy hamasino

Mba sakambino

‘Zahay zanakao

Ianao ry Rainay

No antenainay

Hambomba anay

Omeo fo mino

Tsy hanadino

Anao ry Rainay

Ho mandrakizay

 

2.Jesoa ô Mpamonjy

Ry mofon’aina

mba vokiso

Ny fanahinay

Fa manantena

Ny famonjena

Hatolotrao

Omeo fo mino

Tsy hanadino

Anao Mpamonjy

Ho mandrakizay

 

3.O ry Fanahy

Fanahin’ny Ray

Bitsibitsiho

Ny fanahinay

O mba tsilovy

Dia mba arovy

‘Zao lalanay

Omeo fo mino

Tsy hanadino

Anao Fanahy

Ho mandrakizay.

Numéro de page - 39