Rainay ô, ô
Ndreto ny olonao
Miomana
Hiaraka aminao.
Refrain:
Tantano olonao fa jamba
Aza ilaozanao tsy ho very
Tsy hiverin-dalana â! â!
Hanaraka Anao.
Diovy ny sainay
Avelao ny helokay
Hazavao ny lalanay
Hiarahana aminao.
Na inona hidona
Na inona hihatra
Jesoa irery no tompoinay.