1.Handeha maro be ry Kristiana
Hanaraka izao ny dian’i Kristy!
Tsy hisy ho kivy fo, tsy hisy hivadika,
Tsy hisy handositra ny fahavalo.
2.Raha misy maminany loza sy ratra,
Mamita-tena izy, sahy isika,
Kristy miaro antsika, ny heriny tsitoha
No itafiantsika miaramila.
3.Raha misy manjo antsika ety an-tany
Banjinintsika anie ny lanitra any,
Tsy atahorana ny herin’ny devoly,
Ho lovantsika re ny fanjakana.