Mandrosoa ry mino


Retour

1.Mandrosoa ry mino

Mahereza izao;

Ny Lakroa banjino

Ho Fanevanao

Kristy Kapiteny

Miantso anao tokoa

Mba hitoriteny

Hampiely soa.

 

 

Refrain:

Aza mba malaina

Mamafaza voa

Amin’ny maraina;

Sy hariva koa.

 

2.Misy vatolampy

Hovakiana

Ny mpanompo sampy

Hitoriana.

Ny mpisalasala

Taomy hiara-dia,

Ampodio am-bala

‘Reo ‘zay nania.

 

3.‘Zay anaty tsilo

Azon’ny manjo

Mila anao hitsilo

Hampifaly koa.

Ny marivo saina

Sy finoana

Omeo ranon’aina

Hisotroana.

 

4.Vitsy ny mpamafy

Feno zotom-po

Miaritra ny mafy

Sy mikiry koa

Fa ny hafanana

Rivo-doza be

Samy fitsapana

Moa ho kivy ve ?

 

5.Tsy ho ela akory

Fararano soa

Mpiasa sy mpitory

Hioty voka-tsoa

Ka ho faly ravo

Miramirana

Fa ny lanitra avo

No hidirana.

 

6.Tsy hiady intsony

Ny nahefa be

Paradisa ambony

Fitsaharana ê!

Mino afa-jaly

Dia nasandratra

Ka hiara-paly

Sy ho sambatra !

Numéro de page - 44