Mbola maro sesehena
Ireo tsy mahalala akory
Ny tombontsoan’ny famonjena
Ka miandry anao hitory
Malakia sao diso aoriana
Ento anio dia anio ny teny
Ambarao am-pahasahiana
Ny amin’ ny Tompo mba ho reny.
Refrain:
Atosahy ny herinao
O ry Tompo be fitia
Mamirata Ianao
Hazavao ity tany ity.
Ndeha Satana afatory
Andeha poteho tsy hanan-kery
Koa mandehana ry mpitory
Aza avela hisy ho very.
Ireo fanahy an’alin-kisa
Tian’i Jesoa hovoriana
Ento ho any am-paradisa
Lozantsika raha hangina.