Mitsangana


Retour

1.Mitsangana ianao ka mitoria

 Miandry anao izao tontolo izao

 Mivonona ary matokia

Fa ny Tomponao no tsy mandao.

 

2.Mazotoa ka aza mba malaina

Fa marobe ireo manantena anao

Koa hatanjaho mafy re ny saina

Fa ny Tomponao no tsy mandao.

 

3.Mbola misy tany maizina

Miandry anao hamirapiratra ao

Mivonona ary matokia

Fa ny Tomponao no tsy mandao

Numéro de page - 48